4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila vonjy ny gasilahy - MAMI Bastà

             MILA VONJY NY GASILAHY



Mila vonjy é , mila vonjy é , mila vonjy ny gasilahy

Fahamarinana tsisy hita hoa , fa tapitra nafenin-dry zalahy

Mila vonjy é , mila vonjy é , mila vonjy ny gasivavy

Ny olo-marina nantenaina misy ’tady hamono sy hamosavy



Andriamanitra Ray Tsitoha  , henoy re ’ty vavakay

fa tena mafy tokoa , tokoa é , ny loza manjo ity taninay

Efa hatramin’ny elabe é , no nila vonjy sy nitalaho

Ray Mpamonjy henoy re , fa mitaraina ny zanakao

’Reo mpitsindroka zoridira hoa , omeo sakafo mba hifaliany

Kalokalo sy hirahira hoa , no ataovy solon’ny fijaliany

’Reo tsy manana hialofana é , matory eny an-dalam-be

Omeo lamba mba hirakofana tsy manana havana mba aleha

’Reo mpitantana sy mpitondra re , tariho ny sainy hanao ny rariny

’Reo mpanodikondina volabe , asaivo soloiny izay nangalariny

Raha manao tsy rariny ireo lehibe , ampiharo lalàna mba ho voasazy

Endaso ho mendy amin’ny afobe , f’efa zatra mangorona ny tsy azy

Ireo olo-marina sy azo antoka , omeo hery sy fitahiana

Raha sendra ny ady izay tena sarotra dia arovy tsara fa aza ariana



Mila vonjy é........................



Mila vonjy , mila vonjy , mila vonjy Zanahary

Fa ’ty tanindrazanay ity anie tena marary



Andriamanitra Ray mahery , omeo valiny ny hatakay

Fa aza avela handeha irery , tsilovy ny lalan-kizoranay

Tsy izay tianay fa ny sitrakao ihany no tanterahina re ry Ray

Ry tompon’ny hery tsy mety lany , mila vonjy aminao re ny taninay



Mila vonjy é..................



                   MAMI Bastà

Partager mila vonjy ny gasilahy

Commenter mila vonjy ny gasilahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe MAMI Bastà